Am-pitiavana no andraisana anao mitsidika ity tranon-kalan’ny FJKM Rennes Laval ity. Bienvenue sur le site de l’Église FJKM Rennes Laval

Alahady 30 novambra 2025

Rennes
 
Fanateran’ny Synodamparitany ny Mpitandrina RAZAFINARIVO Andriatsilavina Nofy
Solotenan’ny Biraon’ny Synodamparitany: Rtoa RANDRIAMAHAZAKA Selasoa, Mpitandrina sy Atoa RAKOTONARIVO Mandresy Mahavalisoa
Ny namaky ny Fanekem-pihavanana taloha tao amin’ny bokin’ny Salamo 75, 1-10 : Rtoakely RAKOTOARISOA Irina Mirado
Ny namaky ny Fanekem-pihavanana vaovao tao amin’ny bokin’i Lioka 21, 12-19 : Atoa RAKOTOMANANA Hasina Njaraniaina
Ny namaky ny Epistily tao amin’ny bokin’ny Fanambarana na Apokalypsy 3, 7-13 : Rtoakely TOLOTRINIAINA Felana
Litorjia tamin’ny endriny fahatelo no notanterahina fa ny zava-dehibe tamin’izany dia ny « Asa Vavolombelona » dia ny fanateran’ny Synodamparitany Vato Fehizoro Ampitandranomasina ny Mpitandrina RAZAFINARIVO Andriatsilavina Nofy.
Ireto ny fandaharam-potoana manaraka samy aty Rennes:
– Alahady 07 Décembre 2025: Alahadin’ny Sekoly Alahady Fitandremana Rennes Laval
– Alahady 21 Décembre
– Alakamisy 25 Décembre 2025: Krismasy
Atao any Vannes kosa ny
– Alahady 28 Décembre 2025: Alahadin’ny Fiantsoana SEFALA
Atao any Laval :
– Alahady 14 Décembre
Notsongaina tao anaty toriteny ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy araka an’i Lioka 21, 19 « Amin’ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo »
– Mila fiaretana sy faharetana ary fanantenana eo am-piandrasana ny Tompo.
Nofaranana tamin’ny fifampizarana fifaliana ny fotoana rehefa avy nitsodrano ny iraky ny Synodamparitany hanohy ny dia ho any amin’ny FJKM Nazareta Brest.
PNA