TANTARAN’NY FJKM / HISTORIQUE

Fiangonana telo samihafa no nitambatra ho Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM).

Ny London Missionary Society (LMS)

Ny Friends’Foreign Mission Association (FFMA)

Ny Mission Protestante Française (MPF)

Nandalo fisedrana ny Fiangonana : tao ny fanenjehana tamin’ny andron-dRanavalona voalohany (1828-1861), betsaka ny maritiora maty novonoina, nodorana, navarina tamin’ny hantsana, nolefonina, notoraham-bato, tao ny mba afaka nandositra niery sy nanao fiaraha-mivavaka tany anaty zohy tany toy ny tany Vonizongo.

Nisy ny misionera novonoina toa an-dry William sy Lucy ary Bloson Johnson tany Arivonimamo tamin’ny andron’ny Menalamba tamin’ny 22 Novambra 1895.

Paul Minault sy Benjamin Escande…

Ireto ny daty tokony ho tadidina:

  • 11 Marsa 1950 nanao fanambarana ny FFMA fa ny firaisan’ny Fiangonana entin’ny misiona telo tonta LMS, FFMA, MPF no lalana hitondrana sy hampiraisana ny Fiangonana Malagasy ho azo antoka.
  • 8 Novambra 1950 teraka ny komitin’ny firaisana niarahan’ny Malagasy sy ny Misiona. Ny malagasy moa nanana ilay firaisana sy naniraka evanjelista tany anindran-tany nomeny anarana hoe Isan’Enimbolana.
  • 18 taona taty aoriana vao hita sy niharihary ny vokatra ka ny 13-17 Aogositra 1968 ny Synoda lehibe voalohany niarahan’ny misiona  Telo sy ny malagasy natao tao Toamasina.
  • Ary ny 18 Aogositra 1968 no teraka ny firaisan’ny Fiangonana ka nahatonga ny Fiangonana tokana  nomena ny anarana hoe « Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara »

Fa mialoha ireo dia niova anarana ho malagasy ny fiangonana nentin’ny misiona tsirairay dia ireto izany :

  • Ny LMS niova ho FKM na Fiangonan’i Krsity eto Madagasikara 1962
  • Ny MPF niova ho FPM na Fiangonana ara-Pilazantsara eto Madagasika  1960
  • Ny FFMA niova ho FFM na Fiangonana Frenjy Malagasy 1958.

Ny FJKM no azo ambara ho Fiangonana nitarika ny fampiraisana  sy isan’ny mpamaky lay amin’izany  nefa samy nijery ny soatoavin’ny fiangonana tsirairay. Ary dia tsy olana loatra aminy ny fiarahana amin’ny fiombonana amin’ny oecuménisme.

STK 25 juin 2016 Salle (119)