Sampana Tanora Kristianina
Sampana iray ao amin’ny FJKM izay misokatra ho an’ny tanora rehetra. Araka ny maha-Tanora azy dia mijoro ho vavolombelon’i Kristy eo anivon’ny Firenena misy azy reo ary mitsangana ho fianarana ho an’ny rehetra.
Tamin’ny 27 aprily 2014 no notokanana ny STK FJKM Rennes – Laval. Tonga nanotrona izany fotoan-dehibe izany ireo solontenan’ny birao STK SP VFA 37, ny STK FJKM Champigny ary ny STK FJKM Ziona Vaovao Paris.
Ny tenin’ny soratra masina notsongain’izy ireo tamin’izany dia nalaina tao amin’ny Marka 9 : 50 « Tsara ny sira, fa raha tonga matsatso izy, inona no ho entinareo mampody ny tsirony? Aoka hisy sira ao anatinareo, ka mihavàna tsara hianareo. »
Ireto avy ny mambra ao amin’ny Birao
Filoha : Andriamatoa ANDRIAMIALISON Mamitiana
Filoha mpanampy : Ramatoa ANDRIAMIARISOA Lalaina
Mpitantsoratra : Ramatoakely ANDRIAMIALISOA Fitiavana
Mpitahirivola : Andriamatoa RAKOTOHARISOA Andry Thierry
Mpitantsoratry ny vola : Andriamatoa RATODIARIVONY Sandy
Raha toa ka te hahalala misimisy momba ny sampana STK, dia afaka mitsidika ny tranonkalan’izy ireo eto.