TENY FIAINANA / SAINTES ÉCRITURES

 

NY FAHEFAN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

MATIO 25.14-30

I Jesoa no oharina amin’ilay olona anankiray handeha any an-tany lavitra ary mbola hiverina amin’ny fotoana tsy voafaritra sy tsy ampoizina fa isika kosa no oharina amin’ireo mpanompo izay notolorany ny fananany isika fa :

1-Mametraka fitokisana amintsika i Jesoa

Tsy am-pisalasalana na dia fotoana fohy monja aza no niantsoan’ilay lehilahy mpanankarena ny mpanompony, tsy niantso havana na olom-pantatra na namana akaiky Izy. Midika izany fa atokisany ireto mpanompony ireto ary tombanany, fa tsy hanao kinanga matoa ny fananany manontolo no napetrany tamin’ireo. Izaho sy ianao anie izany e ! nametrahan’i Jesoa fitokisana isika mba tena mendrika izany tokoa ve isika ?

2-Manakarem-pahasoavana avokoa isika

Raha mamaky tsara isika dia hahita fa tsy nisy na dia iray tamin’ireo telo lahy mpanompo aza ka tsy nomena talenta (ny talenta iray dia mitovy amin’ny karaman’ny mpiasa anankiray mandritra ny 6000 andro) , izany hoe : tsy misy afaka hilaza isika fa tsy mahavita na tsy afa-manoatra.

3-Miandry vokatra amintsika i Jesoa

Amin’ny fotoana hiverenan’ny Tompo indray, izay tsindriana etoana fa tsy misy mahalala, dia anontaniana antsika ny fomba nampiasana sy nitantanantsika ireo talenta nomena antsika. Koa fifaliana ho azy ny handre avy amintsika fa nahazo tombony isika. Ny hoe : mahazo tombony dia tsy hafa fa nandray andraikitra amin’ny fanitarana ny ambaindain’ny fanjakan’Andriamanitra.

Fanontaniana:

Ho inona re no hambaranao amin’i Jesoa rehefa hihaona Aminy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM