TENY FIAINANA / SAINTES ÉCRITURES

METEZA HIASA AMIN’NY FINOANA

1 Korintiana 3 : 1-9

1- Aza mifampiandany

Nisy fizarazarana sy fifampiandaniana tao amin’ny Fiangonana tao Korinto. Niteraka fialonana sy fifandirana teo amin’ny samy mpino izany ka efa saika nampisara-bazana ny samy kristiana. Ny antony dia samy nitana mafy sy nanindrahindra fatratra ny mpitoriteny izay tiany izy ireo. Ny sasany niandany tamin’i Paoly, ny hafa tamin’i Apolosy. Nananatra azy ireo noho izany i Paoly, ka nambarany fa mampiseho ny Kristiana ho mitovy amin’ny tsy mpino sy ny olon’izao tontolo izao izany. « Fa raha misy fialonana sy fifandirana eo aminareo, tsy araka ny nofo va ianareo ka mandeha araka ny fanaon’ny olona? » (and 3). Ny fisian’ny fifanavakavahana sy ny fifampiandaniana eo amin’ny samy mpino dia taratry ny tsy fahamatorana amin’ny finoana (and 2)

2- Ekeo fa mpiara-miasa amin’Andriamanitra ianao (and.5-9)

Ny mpitoriteny sy ny mpitondra fivavahana dia tsy tokony hihevitra ny tenany ho nahavita irery ny asan’Andriamanitra satria efa nisy ny teo alohany izay nanomboka ny asa, ary mbola hisy koa ny handimby azy. Oharin’i Paoly amin’ny tanimboly sy volin’Andriamanitra ny Fiangonana, ka tao ny niasa tany, tao ny namboly, ny nanondraka sns… An’Andriamanitra ny asa, ary mpiara-miasa Aminy avokoa izy rehetra, fa Andriamanitra irery ihany no mampahavokatra, ary Izy no Tompon’ny zavatra rehetra, na ny mpiara-miasa izany, na ny Fiangonana.

« Ka dia tsinontsinona izay mamboly, na izay mandena, fa Andriamanitra Izay mampitombo no izy. » (and 7)

Fanontaniana

Inona no mahatonga ny fifandrafiana eoamin’ny samy kristiana?

Foibe Sampana Sekoly Alahady

 

 

Foibe Sampana Sekoly Alahady