TANO MAFY NY FINOANA
1 TIMOTY 1 : 12-17
Anankiray amin’ny soratr’i Paoly Apostoly izay antsoina hoe : « Epistily Pastoraly » ity nosoratany ho an’i Timoty ity, mitari-dàlana, manoro hevitra ary mampahery ity farany eo anatrehan’ny anjara fanompoana miandry azy. Azontsika takarina avy amin’ny perikopantsika ity ary fa ny raiamandreny tsara dia :
1-Modely amin’ny fahamarinana (and15)

« …ary amin’ireny , izaho ny lohany » hoy i Paoly raha milaza ny tenany izy. Asehony amin’izany fa tsy mba mamboamboatra ny endrika ivelany izy ary tsy mihatsaravelatsihy fa ny marina no ambarany.
2-Modely amin’ny fahazoana antoka ny famonjena (and 16)
« kanefa izao no namindrana fo tamiko » hoy hatrany ny Apostoly. Azo takarina amin’izany fa izy dia mahatsapa fa olona nahazo famindrampo be dia be tamin’ny Tompo raha oharina amin’ny lasany ny ankehitriny. Izany hoe : tena sahiny hitompoana fa efa olom-boavonjy izy satria efa nandray an’i Jesoa ho Tompo sy mpamonjy.
3-Modely amin’ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra

« Ho an’Andriamanitra tokana ihany anie ny laza sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay ». Asehon’i Paoly fa ny zavatra rehetra dia tsy natao hitadiavana tombon-daza na tombotsoa manokana fa natao hanomezana voninahitra an’Andriamanitra ihany. Amintsika Protestanta dia anankiray amin’izay ijoroantsika ny hoe : « Soli Deo Gloria » ( Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra)
Fanontaniana :
Manao ahoana ny fahitanao ny mpitaiza ara-panahy fantatrao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM