Tantara / Historique

Ny Alahady 7 martsa 2010 no nanangana ny « Vondrom-bavaka Rennes Laval » tamin’ny fanompoam-pivavahana Pasteure Rafalinirina Lalao Angèle sy izahay 11 mianadahy tao an-tokantranon’i Lova sy Michaëlle RATODIARIVONY mivady tao Pont-Péan.

Ny Alahady 14 oktobra 2012 no notokanana ny « Fiangonana FJKM Rennes Laval ». Ny Fitokanana dia notarihan’ny Mpitandrina Rakotonirina Charles, filohan’ny Synodamparitany VFA 37, natrehan’ny Mpitandrina isany : Pasteure Rafalinirina lalao Angèle, Pasteure Rabearison Hanta Lalasoa, Pasteur Jean D’Elinivo Emmanuel, Pasteur Lupon Yorann, ny biraon’ny SP VFA 37, ireo solon-tena isam-piangonana ary ireo vahoakan’Andriamanitra marobe.