Fitokanana / Inauguration

Fitokanana ny fiangonana FJKM Rennes Laval

Dimanche 14 octobre 2012 : « Culte inaugural de l’Église FJKM Rennes Laval. »

Ny Mpitandrina RAKOTONIRINA Charles filohan’ny Synodamparitany VFA 37 no nitarika ny fotoana.

Tonga nanotrona koa ireto Mpitandrina ireto :

  • Pasteure RAFALINIRINA Lalao Angèle
  • Pasteure RABEARISON Hanta Lalasoa
  • Pasteur JEAN D’ELINIVO Emmanuel
  • Pasteur LUPON Yorann

Teo koa ny biraon’ny Synodamparitany, ny solontenan’ny isam-piangonana ato anatin’ny Synodamparitany sy ny avy amin’ny fiangonana rahavavy ary ireo vahoakan’Andriamanitra rehetra eto Rennes Laval sy ny manodidina.

Taorian’ny fanompoam-pivavahana fitokanana, dia nisy sakafom-pirahalahiana nifampizarana sy « animations »

Nisy moa ny fitsangatsanganana tany amoron-dranomasina sy fiaraha-misakafo ny omalin’io ho fandraisana ireo vahiny mba hifankalalana bebe kokoa.