Alahady 11 Janoary 2026
Laval,
Notanterahina teto Laval ny 11/01/2026 ny fanompoam-pivavahana isaorana ny Tompo noho ny taombaovao Laval 2026, nisy ny Firaisana latabatra tamin’ny Tompo tamin’izany.
Ireto avy ny nandray anjara:
– Nitarika : Atoa Rakotobe Narinirina, Diakona
– Fotoana ho an’ny ankizy sy Tanora na 5 min SA : Rtoa Ramiandrisoa Koloina, Diakona
– Vavaka fangatahana ny Fanahy Masina sy vakiteny 1: Atoa Rakotovao Tsioriniazy
– Vakiteny 2 : Atoa Rafiringa Eddy
– Vakiteny 3 : Rtoa Rakotovazaha Vonjy
– Nitoriteny sy nampandray: Atoa Nofy Andriatsilavina
Toy izao ny toriteny:
Fitenin’ireo mpanentana amin’ny fampisehoana ny hoe « Ao tsara ve », ny sasany « ao sa tsy ao e »… fa ny an’ny Kristiana dia hoe « Ao amin’i Kristy sa tsy ao e? »
Fa ahoana tsara moa ity hoe « ao amin’i Kristy ity »?
Paoly no mamaly ato amin’ity Efe. 1, 7-14 ity, ka ny ao amin’i Kristy dia:
1. Fanafahana ho antsika (and. 7) tafiditra ao na ny fanavotana antsika izany na ny famelan-keloka ho antsika.
Noho io dia olom-baovao isika ka tsy voagejan’ny lasan-dozantsika intsony.
2. Fahazavana sy fanazavana antsika satria miseho amintsika ny lamin’Andriamanitra ary mazava amintsika fa Kristy no fahatanterahan’izao zavatra ary rehetra izao.
Noho io dia mazava amintsika ny lalam-piainana (sens de la vie) sy ny tanjom-piainana (direction de la vie) ary ny fizotram-piainana (cohérence de la vie) ka tsy manana tahotra ny ampitso intsony isika.
3. Fampandovana ho antsika (and. 11-12) ka raisintsika avokoa na ny lova azontsika dia ny firaisana amin’ny fiainan’ny zanaka na ny lova iainantsika dia ilay fiaiinantsika maneho ny maha zanak’Andriamanitra antsika.
Noho io dia mahazo anaram-baovao isika hoe zanak’Andriamanitra ka mazava ho azy, ny sitrapoNy no arahintsika.
4. Fandraisantsika tombokase (and. 13-14) io ilay fanambaran’ny Fanahy Masina fa zanak’Andriamanitra isika ary Izy no antoka ho amin’izany.
Noho ity farany dia azo antoka ny famonjena antsika satria efa vita kase izany ka anjaran’Izy Fanahy Masina no mitondra (porte), miaro (garde) sy manova (transforme) anao hanaraka ny sitrapon’Andriamanitra.
Vaovao:
– Misy tanoran’ny Fiangonana nanolo-tena hanampy amin’ny fikirakirana ny sary ka hivoaka isaky ny herinandro ny toritenin’ny Fiangonana.
Daty manaraka tsara ho fantatra:
– 18 Janoary 2026, Alahady ho enti-mitondra amim-bavaka ny Mpitandrina misotro ronono Razafimbololonaharizaka
– 25 Janoary 2026, Alahady fanokanana Diakona hotanterahina any Lorient.
PNA