Alahady 16 novambra 2025
Alahadin’ny FiMpi-Z Rennes-Laval
Isaorana Andriamanitra noho ny fitantanany ny fiainan’ny Fiangonana ka tontosa soamantsara ny « Alahadin’ny FIMPIZ voalohany » teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana.
Ny fandaharana niombonana tamin’ny SAMPATI Foibe no nanatontosana ny Fanompoam-pivavahana, « Toriteny am-peon-kira » no natao tamin’izany, ka ny toriteny izay notanterahin’ny Mpitandrina dia niompana tamin’ny lohahevitra hoe: « Ny Kristiana miandry ny Tompo » (Chrétiens attendant leur Seigneur ».
Nahitana fizarana 3 izany : Mitandrina (prudent), Miambina (Veillant), Mivavaka (Priant). Teo anelanelan’ireo fizarana dia nisy ny feonkira 3 dia ny Hira Fanampiny Faha-18, Ny Hira Faha-654, ary ny Hira Fanampiny Faha-10. Natao teo am-pamaranana ny toriteny kosa ny Hira 506 izay sady natao tamin’ny teny Malagasy no natao tamin’ny fiteny Anglisy « It is well with my soul ».
Nisy ny asa vavolombelona ka nitondrana amim-bavaka manokana sy ny FIMPIZ, avy eo dia nisy ny lahateny fanentanana nataon’ny solotenan’izy ireo dia Atoa Andriamanantsilavo Ny Riana nambarany tamin’izany fa ny FIMPIZ dia tsy ny mitendry zava-maneno ihany fa ao koa ireo mpikirakira ara-teknika (mpanao fafana na projection) ao koa ireo mpikirakira hay vaky jery (site web) ao koa ireo mpaka sary. Misokatra amin’ny rehetra arak’izany ny FIMPIZ ka manasa ireo rehetra manana talenta amin’ireo sehatra ireo mba hiditra ao anatin’ny fikambanana.
Ireto avy no nanana anjara tamin’io fotoana io :
-
Fotoana ho an’ny ankizy sy ny tanora : Rtoa Ramiandrisoa Koloina
-
Vavaka mialoha vakiteny : Atoa Andriamanantsilavo Ny Riana
-
Zefania 3 : 6-8 Atoa Rakotovazaha Andriambola
-
Marka 13 : 33-37 Atoa Razanarivelo Alindranto
-
1Petera 4 : 1-6 Atoa Andriamirado Fanilo
-
Vavaka fangatahana : Rtoa Andriamanantsilavo Lalaina
Nisy ihany koa ny fiomanam-panahy ka ny Mofonaina no notorian’ny Mpitandrina tamin’izany izay niompana tamin’ny fahaizana mifehy ny nofo mba tsy hanimba ny Fanahy.
Nofaranana tamin’ny sakafo ifampizaran’ny mpianakavin’ny finoana moa ny fotoana.