HAFATRY NY MPITANDRINA (Mot du Pasteur)

Hafatry ny Mpitandrina mivady ho an’ny volana Janoary 2026

Arahabaina ry ilay nohasoavina, ny Tompo no momba anao,

Arahabaina tratra soa an’izao taom-pahombiazana 2026 izao.

Mivavaka koa izahay raha mivavaka mba ho zina amin’ny filazantsara ho anao ity taona ity.

« Aza mahatsiaro ny lasa, na misaina ny taloha. Indro, Izaho efa hanao zava baovao, koa ankehitriny dia efa miposaka izany ». Isaia 43, 18-19b

Izany teny feno fampanantenana izany no indro atolotra ho anao ankehitriny :

Voalohany, « aza mahatsiaro ny lasa », tsy midika akory izany hoe « fafao ny lasa » na hoe « adinoy ny lasa » fa aza ataonao ho sakana tsy handrosoanao ny lasa, aza atao ho olana tsy ahafahanao miroso ny lasa.

Faharoa « aza misaina ny taloha ». Aleo ny taloha hitoetra amin’ny toeran’ny taloha, efa manavao Andriamanitra, noho izany tsy tokony io « taloha » lava io no itoeranao. Efa nilaozanao izany matoa ianao tonga amin’ny ankehitriny ary efa mibanjina ny ho avy.

Fahatelo, « Izaho efa hanao zava-baovao ». Raiso izany tenin’Andriamanitra izany, efa Izy no miditra anatin’ny famahana ny olana ka mandray andraikitra hanavao. Ekeo re izany fa aza mafy hatoka hitoetra amin’ny fanao fahiny.

Fahaefatra, « efa miposaka izany », tsy hoe vao mampanantena Izy fa efa niasa sahady, hany ka manaiky sisa no ilana anao.

Meteza ho « tantanan’Andriamanitra » sy ahitsiny mba ahafahanao miaina tsara izao taona 2026 izao. Mivavaka ho anao mba hotahian’Andriamanitra mandrakariva.

PNA mivady.