Hafatry ny Mpitandrina mivady ho an’ny volana Febroary 2026
Ry havana malala ao amin’ny Tompo,
Misy teny iray ao amin’ny Soratra Masina izay toa tsotra, nefa mitondra lanja lehibe eo amin’ny fiainan’ny mpino: “manamafy ny fo”. Indraindray izy io dia midika ratsy, indraindray kosa midika tsara. Toa teny iray ihany, nefa misy lalana roa mifanohitra tanteraka.
Ao amin’i Farao dia mahita isika ilay fo mafy izay manohitra an’Andriamanitra, tsy mihaino, tsy te hiova, ary tsy te handray ny fahamarinana. Io fahamafisan’ny fo io no miteraka fahaverezana ary manidy ny varavarana amin’ny fahasoavana.
Fa misy koa ny fahatanjahan’ny fo, izay tsy fanoherana, fa faharetana; tsy fitiavan-tena, fa fahatokiana; tsy fitiavan-doza, fa fijoroana amin’ny fahamarinana. Izay no antsoin’ny Soratra Masina hoe “mahereza sy matanjaha”. Io no fanamafisan’ny fo avy amin’Andriamanitra, izay manokatra ny fontsika hanao ny sitrapony.
Ry havana, ny fiainana dia mitondra fitsapana, fahoriana, fanenjehana, fahadisoam-panantenana, fahatezerana, fahavinirana… Mety ho mora ny manidy ny fo, ny tsy hifampihaino, ny tsy hihaino intsony ny feon’Andriamanitra hany ka mora foana ny ho tonga tahaka an’i Farao, izay nahita ny fahamarinana, nefa tsy nety nionona, tsy nety niova hevitra, tsy nety hiala amin’ny maha izy azy ka hifanatona amin’izay heveriny ho fahavalo.
Fa ny Tompo kosa miantso antsika amin’ny feo malefaka hoe: “Aza manamafy ny fonareo” (Heb. 3:8) ary manamafy miantso hoe: “Mahereza sy matanjaha” (Jos. 1:9).
Tsy antso roa samy hafa izany, fa antso iray ihany: Aza avela ho mafy ny fonao amin’ny fanoherana tsy amina antony, fa aoka ho matanjaka amin’ny finoana.
– Ny fo mafy dia manidy. Ny fo matanjaka dia manokatra.
– Ny fo mafy dia mandà. Ny fo matanjaka dia mandray.
– Ny fo mafy dia manohitra ny marina. Ny fo matanjaka dia mijoro amin’ny marina.
Ry havana, angamba misy zavatra nandratra anao, na zavatra tsy nety, na teny mafy, na fahadisoam-panantenana. Angamba misy zavatra nahatonga ny fonao ho mikitroka, ho tsy te hihaino intsony, ho tsy te hiova intsony.
Fa anio, Andriamanitra dia tsy manery anao. Tsy manery hanova ny fonao Izy. Fa manasa anao. Manasa anao hanokatra indray. Manasa anao hihaino indray. Manasa anao hino indray. Manasa anao hanana fo matanjaka, fa tsy fo mafy.
Aoka ny Fanahy Masina no hanamafy ny fonao, tsy amin’ny fanoherana, fa amin’ny faharetana. Aoka Izy no hanamafy ny fonao, tsy amin’ny fahatezerana, fa amin’ny fitiavana. Aoka Izy no hanamafy ny fonao, tsy amin’ny fitiavan-tena, fa amin’ny fanekena ny sitrapon’Andriamanitra.
Ary rehefa manamafy ny fonao amin’izany fomba izany Andriamanitra, dia tsy ho mafy ianao, fa ho matanjaka. Tsy ho mikatona ianao, fa ho misokatra. Tsy ho kivy ianao, fa ho mahatanty.
Koa enga anie ny fontsika rehetra, amin’ity volana febroary ity, dia tsy ho tahaka ny fon’i Farao, fa ho tahaka ny fon’ireo mpino izay navelan’Andriamanitra hanana hery ao anatiny, ka nahatanty ny ady, nahatanty ny fitsapana, ary nahatanty ny antso.
Aoka ny fontsika ho mafy amin’ny fitiavana, fa tsy amin’ny fanoherana. Aoka ho mafy amin’ny finoana, fa tsy amin’ny fitiavan-tena. Aoka ho mafy amin’ny fahamarinana, fa tsy amin’ny fahamafisan-doha.
Ho amin’ny Tompo anie ny voninahitra. Amen.
PNA mivady