TENY FIAINANA / SAINTES ÉCRITURES

Henoy ny tenin’ i Jesoa hoe: « Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo, dia tsy mba hety hino mihitsy. » (and.48) Fampitandremana mbola tsy lany andro mihitsy izany, fa mainka koa aza marina amin’izao androntsika ankehitriny izao!

Manahafa ity lehilahy ity fa, rehefa niteny i JESOA hoe: « Andeha mody; velona ny zanakao! », dia tsy nisalasala izy: « Ary ralehilahy nino ny teny izay nolazain’i Jesoa taminy, ka dia lasa nody. » (and.50). Ny tenin’i JESOA no niorenany ary noporofoiny tamin’ny fankatoavany izay nasain’i JESOA nataony izany finoany ny tenin’i JESOA izany!

Hoy ny and.53: « Dia nino izy mbamin’ny ankohonany rehetra. » Niara-nandre ny fijoroana ho vavolombelon-dralehilahy izy mianakavy ary niara-nahita ny fahasitranan’ilay narary, dia niara-nino! Fatratra izany! « Minoa an’i JESOA Tompo dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao! » (Asa 16,31)

Voarainao tsara ve ireo lesona 3 ireo, sy ireo fahamarinana rehetra nianarantsika tamin’ity volana ity mba ho mpino « velon’ny finoana » ianao?