TENY FIAINANA / SAINTES ÉCRITURES

MANAIKY HO IRAKA NY MPINO

Ny mpianatr’i Jesoa misedra fanenjehana

1-Jesoa Manafaka azy

<< Fa nisy anjelin’ny Tompo namoha ny varavaran’ny tranomaizina nony alina, dia nitondra azy nivoaka » (And. 19)

Rehefa nosamborin’ny Synedriona (Mpisoronabe sy ny antokon’ny Sadoseo) ny Apostoly ka nampidiriny tao an-tranomaizina, dia naniraka ny anjeliny ny Tompo hanafaka azy. Ny anjelin’ny Tompo mihitsy no nanokatra ny varavaran’ny tranomaizina hanafaka ny Apostoly. Araka izany, Andriamanitra sy Jesoa Kristy mihitsy no manokatra lalana hivoahan’ny olom-boafidiny ao anatin’ny fanenjehana sy fampahoriana, noho ny filazantsara, mahazo azy. Koa raha tojo fanenjehana, aza matahotra, matokia, fa ny Tompo haniraka ny irany hanafaka anao amin’izany.

2- Jesoa maniraka azy

« Mandehana, ka mitsangana, ary mitoria amin’ny vahoaka eo an-kianjan’ny tempoly… » (and. 20).

Vao afaka tao an-tranomaizina ny Apostoly dia efa misy iraka sahady nampanaovin’ny Tompo azy, araka ny teny nampitondraina ny anjely. Nirahina « handeha, hitsangana, hitory ». Ny fanafahana ny Apostoly dia midika ho fampaherezana sy fanomezana azy hery hanohizany ny asa fitoriana Filazantsara efa nanirahan’ny Tompo azy. Araka izany, ny olona nafahan’ny Tompo dia omeny hery sy fampaherezana hahazoana mijoro ho vavolombelony hatrany. Hizara fiainana avy amin’ny Filazantsara ho an’ny hafa no anton’ny fanafahana omen’ny Tompo ny irany. Ka ny olona rehetra mahatsiaro tena fa efa nafahan’ny Tompo tamin’ny geja sy ny fatorana samihafa dia tokony hizara fiainana avy amin’ny filazantsara ho an’ny hafa.

Fanontaniana:

Inona no endrika fızarana fiainana ho an’ny hafa ataonao ?

 

Foibe Sampana Sekoly Alahady