TENY FIAINANA / SAINTES ÉCRITURES

MAMPAHAFANTATRA NY ASAN’NY TOMPO NY SORATRA MASINA

EKSODOSY 7 : 14-24

Miteny sy manafatra mandrakariva ny Soratra Masina

Hafatra telo mazava no omen’ny Tompo antsika

1- Aza manamafy fo (and 14)

<< Efa mafy ny fon’i Farao, ka manda tsy handefa ny olona izy» hoy i Jehovah tamin’i Mosesy. Maneho amintsika izany fa tsy miafina amin’i Jehovah ny toe-po ao anaty tsy miloaka. Ny hevitry ny hoe mafy fo eto dia hoe tsy te hahalala izay lazain’ Andriamanitra any fa miziriziry amin’ny hevi-disony fotsiny izao, minia manakimpy maso ka tsy manisy vidiny ny Tompo na dia efa nasehon’ny Tompo taminy miharihary izao aza ny heriny ! (and 10)

2. Mihainoa (and 16)

« dia lazao aminy hoe : Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo, no naniraka… fa, indro, tsy nihaino ianao mandraka ankehitriny.» Asehon’ny Tompo eto fa na dia mafy fo aza i Farao, tsy nangina ny Tompo fa mbola te hitaona azy hiova fo, mbola tsy avy hatrany dia nikapoka mivaivay fa mbola miteny, ary mahavariana fa mbola miteny am-pitiavana sy amim-panajana ! Koa aza dia manentsi-tadiny re rehefa mbola itenenan’ Andriamanitra ! Henoy Izy !

3. Mba tsy hanenina tokoa (Eks 7 : 14-11 : 10)

Fantatsika ny tohin’ny tantaran’i Farao, fa loza sivy no efa nalefa fa dia tsy niova tamin’ny fanapahan-keviny ity farany ! Ary mbola nivonona ny hanohitra ihany aza. Taorian’izany dia nihatra aman’aina amin’izay ny loza fahafolo : maty ny voalohan-teraka rehetra ! Izay vao nilefitra ilay maditra ! Ry havana, dia hiandry kapoka mihatra aman’aina ve vao hihaino sy hankato ? Tsarovy ny Oha 29 : 1. Ary aoka tsy hohadinoina fa i Jesoa, Tenin’ Andriamanitra tonga nofo dia fitiavana sy fialana nenina amintsika ! Minoa, mankatoava ary dieny mbola mandre ! Aza manao tsinontsinona !

Fanontaniana:

Nahoana no tsy ankatoavin’ny olona ny Tenin’ Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady Foibe