{"id":3401,"date":"2025-12-31T21:48:30","date_gmt":"2025-12-31T21:48:30","guid":{"rendered":"https:\/\/fjkmrenneslaval.com\/sp-vfa37\/?page_id=3401"},"modified":"2026-02-03T10:48:04","modified_gmt":"2026-02-03T10:48:04","slug":"hafatry-ny-mpitandrina-mot-du-pasteur","status":"publish","type":"page","link":"https:\/\/fjkmrenneslaval.com\/sp-vfa37\/hafatry-ny-mpitandrina-mot-du-pasteur\/","title":{"rendered":"HAFATRY NY MPITANDRINA \/ MOTS DU PASTEUR"},"content":{"rendered":"\n<p>Hafatry ny Mpitandrina mivady ho an\u2019ny volana Febroary 2026<\/p>\n<p>Ry havana malala ao amin\u2019ny Tompo,<\/p>\n<p>Misy teny iray ao amin\u2019ny Soratra Masina izay toa tsotra, nefa mitondra lanja lehibe eo amin\u2019ny fiainan\u2019ny mpino: <strong>\u201cmanamafy ny fo\u201d.<\/strong> Indraindray izy io dia midika ratsy, indraindray kosa midika tsara. Toa teny iray ihany, nefa misy lalana roa mifanohitra tanteraka.<\/p>\n<p>Ao amin\u2019i Farao dia mahita isika ilay <strong>fo mafy<\/strong> izay manohitra an\u2019Andriamanitra, tsy mihaino, tsy te hiova, ary tsy te handray ny fahamarinana. Io fahamafisan\u2019ny fo io no miteraka fahaverezana ary manidy ny varavarana amin\u2019ny fahasoavana.<\/p>\n<p>Fa misy koa ny <strong>fahatanjahan\u2019ny fo<\/strong>, izay tsy fanoherana, fa <strong>faharetana<\/strong>; tsy fitiavan-tena, fa <strong>fahatokiana<\/strong>; tsy fitiavan-doza, fa <strong>fijoroana amin\u2019ny <\/strong><strong>faha<\/strong><strong>marina<\/strong><strong>na<\/strong>. Izay no antsoin\u2019ny Soratra Masina hoe <em>\u201cmahereza sy matanjaha\u201d<\/em>. Io no fanamafisan\u2019ny fo avy amin\u2019Andriamanitra, izay manokatra ny fontsika hanao ny sitrapony.<\/p>\n<p>Ry havana, ny fiainana dia mitondra fitsapana, fahoriana, fanenjehana, fahadisoam-panantenana, fahatezerana, fahavinirana&#8230; Mety ho mora ny manidy ny fo, ny tsy hifampihaino, ny tsy hihaino intsony ny feon\u2019Andriamanitra hany ka mora foana ny ho tonga tahaka an\u2019i Farao, izay nahita ny fahamarinana, nefa tsy nety nionona, tsy nety niova hevitra, tsy nety hiala amin\u2019ny maha izy azy ka hifanatona amin\u2019izay heveriny ho fahavalo.<\/p>\n<p>Fa ny Tompo kosa miantso antsika amin\u2019ny feo malefaka hoe: <strong>\u201cAza manamafy ny fonareo\u201d<\/strong> (Heb. 3:8) ary manamafy miantso hoe: <strong>\u201cMahereza sy matanjaha\u201d<\/strong> (Jos. 1:9).<\/p>\n<p>Tsy antso roa samy hafa izany, fa antso iray ihany: <strong>Aza avela ho mafy ny fonao amin\u2019ny fanoherana <\/strong><strong>tsy amina antony<\/strong><strong>, fa aoka ho matanjaka amin\u2019ny finoana.<\/strong><\/p>\n<p>&#8211; Ny fo mafy dia manidy. Ny fo matanjaka dia manokatra.<\/p>\n<p>&#8211; Ny fo mafy dia mand\u00e0. Ny fo matanjaka dia mandray.<\/p>\n<p>&#8211; Ny fo mafy dia manohitra ny marina. Ny fo matanjaka dia mijoro amin\u2019ny marina.<\/p>\n<p>Ry havana, angamba misy zavatra nandratra anao, na zavatra tsy nety, na teny mafy, na fahadisoam-panantenana. Angamba misy zavatra nahatonga ny fonao ho mikitroka, ho tsy te hihaino intsony, ho tsy te hiova intsony.<\/p>\n<p>Fa anio, Andriamanitra dia tsy manery anao. Tsy manery hanova ny fonao Izy. <strong>Fa manasa anao.<\/strong> Manasa anao hanokatra indray. Manasa anao hihaino indray. Manasa anao hino indray. Manasa anao hanana fo <strong>matanjaka<\/strong>, fa tsy fo <strong>mafy<\/strong>.<\/p>\n<p>Aoka ny Fanahy Masina no hanamafy ny fonao, tsy amin\u2019ny fanoherana, fa amin\u2019ny faharetana. Aoka Izy no hanamafy ny fonao, tsy amin\u2019ny fahatezerana, fa amin\u2019ny fitiavana. Aoka Izy no hanamafy ny fonao, tsy amin\u2019ny fitiavan-tena, fa amin\u2019ny fanekena ny sitrapon\u2019Andriamanitra.<\/p>\n<p>Ary rehefa manamafy ny fonao amin\u2019izany fomba izany Andriamanitra, dia tsy ho mafy ianao, fa ho <strong>matanjaka<\/strong>. Tsy ho mikatona ianao, fa ho <strong>misokatra<\/strong>. Tsy ho kivy ianao, fa ho <strong>mahatanty<\/strong>.<\/p>\n<p>Koa enga anie ny fontsika rehetra, amin\u2019ity volana febroary ity, dia tsy ho tahaka ny fon\u2019i Farao, fa ho tahaka ny fon\u2019ireo mpino izay navelan\u2019Andriamanitra hanana hery ao anatiny, ka nahatanty ny ady, nahatanty ny fitsapana, ary nahatanty ny antso.<\/p>\n<p><strong>Aoka ny fontsika ho mafy amin\u2019ny fitiavana, fa tsy amin\u2019ny fanoherana.<\/strong> <strong>Aoka ho mafy amin\u2019ny finoana, fa tsy amin\u2019ny fitiavan-tena.<\/strong> <strong>Aoka ho mafy amin\u2019ny fahamarinana, fa tsy amin\u2019ny fahamafisan-doha.<\/strong><\/p>\n<p>Ho amin\u2019ny Tompo anie ny voninahitra. Amen.<\/p>\n<p>PNA mivady<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Hafatry ny Mpitandrina mivady ho an\u2019ny volana Febroary 2026 Ry havana malala ao amin\u2019ny Tompo, Misy teny iray ao amin\u2019ny Soratra Masina izay toa tsotra, nefa mitondra lanja lehibe eo amin\u2019ny fiainan\u2019ny mpino: \u201cmanamafy ny fo\u201d. Indraindray izy io dia midika ratsy, indraindray kosa midika tsara. Toa teny iray ihany, nefa misy lalana roa mifanohitra [&hellip;]<\/p>\n","protected":false},"author":1,"featured_media":0,"parent":0,"menu_order":0,"comment_status":"closed","ping_status":"closed","template":"","meta":{"footnotes":""},"class_list":["post-3401","page","type-page","status-publish","hentry"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/fjkmrenneslaval.com\/sp-vfa37\/wp-json\/wp\/v2\/pages\/3401","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/fjkmrenneslaval.com\/sp-vfa37\/wp-json\/wp\/v2\/pages"}],"about":[{"href":"https:\/\/fjkmrenneslaval.com\/sp-vfa37\/wp-json\/wp\/v2\/types\/page"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/fjkmrenneslaval.com\/sp-vfa37\/wp-json\/wp\/v2\/users\/1"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/fjkmrenneslaval.com\/sp-vfa37\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=3401"}],"version-history":[{"count":4,"href":"https:\/\/fjkmrenneslaval.com\/sp-vfa37\/wp-json\/wp\/v2\/pages\/3401\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":3492,"href":"https:\/\/fjkmrenneslaval.com\/sp-vfa37\/wp-json\/wp\/v2\/pages\/3401\/revisions\/3492"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/fjkmrenneslaval.com\/sp-vfa37\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=3401"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}