STK / Jeunes Chrétiens

Sampana Tanora Kristiana

Sampana iray ao amin’ny FJKM izay misokatra ho an’ny tanora rehetra vonona hijoro ho vavolombelon’i Kristy eo anivon’ny Firenena misy azy ireo ary ho fianarana ho an’ny rehetra.

Tamin’ny 27 aprily 2014 no notokanana ny STK FJKM Rennes – Laval. Tonga nanotrona izany fotoan-dehibe izany ireo solontenan’ny birao STK SP VFA 37, ny STK FJKM Peniela Fitiavana (Champigny) STK Nantes ary ny STK FJKM Ziona Vaovao Paris.

Ny tenin’ny soratra masina notsongain’izy ireo tamin’izany dia nalaina tao amin’ny Marka 9 : 50 « Tsara ny sira, fa raha tonga matsatso izy, inona no ho entinareo mampody ny tsirony ? Aoka hisy sira ao anatinareo, ka mihavàna tsara hianareo. »

Ireto avy ny mambra ao amin’ny Birao

Filoha  : Andriamatoa RAMIANDRISOA Tsito

Filoha mpanampy : Andriamatoa RATODIARIVONY Sandy

Mpitahirivola : Ramatoakely RANDRIANARIJAONA Johanne

Mpitantsoratra : Ramatoakely RAKOTOSON Elodie

Raha toa ka te hahalala misimisy momba ny sampana STK, dia afaka mitsidika ny tranonkalan’izy ireo eto.